Projet TENINTSIKA 2

DATE

29 Juin 2023

LIEU

Marseille France

CO-ORGANISATEURS

CLUB 1808
Consulat de Madagascar - Marseille
Akademia Malagasy
Sakaizan’ny Akademia aty Ampielezana

CONTEXTE

Ny tetik’asa « TENINTSIKA » dia hetsika mifarimbona hanandratan’ireo « Sakaizan’ny Akademia aty ampielezana” manokana ny tenintsika amin’ny alalan’ny Famaranana ny « iray volan’ny teny malagasy ». Ny lohahevitra nomen’ny Akademia Malagasy avy amin’ny solotenany, ny Pr. RAJAOSON François (Filoha) sy ny Pr. RANJATOHERY Harilala (Filoha-lefitry ny sokajy I), amin’ity taona 2023 ity dia : « NY TENY MALAGASY SY NY RAHARAHAM-PANJAKANA ».

Ny “Sakaizan’ny Akademia aty ampielezana” dia vondrona ifandrimbonan’ireo mpiray tanindrazana natomboka tamin’ny volana jiona 2022 tao Parisy izay niarahana tamin’ny masoivohon’ny Madagasikara sy ireo vondrona ary mpiray tanindrazana maro toa an’ny Havatsa-UPEM Sampana Frantsa, FIMPIMA, FTM, Teny Malagasy Benelux, P’art Ile Madagascar, BBZI, Fivmpama Paris, ICDD, INSMAD, Cercle VOXMADA, Club Excellence Madagascar, Tarika SORAJAVONA, Nahr « Ny Railovy », Kolo Malagasy, Ligue de la Bible.

Momba ny zava-bita tamin’ny taona lasa, ankoatran’ny Antsa tononkalo tao amin’ny toeram-pisakafoana Soa6Gasy Cachan sy ny fihaonana amin’ny mpanoratra Malagasy tao amin’ny tranomboky kaominalin’i Quercy, dia natao tamin’ny 29 jona 2022 tao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara (Parisy) ny famaranana ny volan’ny teny Malagasy 2022 ary natrehin’ireo andrarezina toa an’Itompokolahy ANDRIARIMALALA Abel (Mpanoratra – mpampianatra – FTM) sy ANDRIAMANDROSO Denis (Diplaomaty – mpanoratra – mpampianatra – sakaizan’ny Akademia Malagasy any Madagasikara) ho fampiroboroboana ny tenim- pirenena.

ACTIONS

« 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 » : ALAKAMISY 29 JONA 2023

  • Zana-dohahevitra 1: « 𝙉𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖. » – Atoa RABEARISOA Hery, Konsilin’i Madagasikara – Marseille.
  • Zana-dohahevitra 2 : « 𝙉𝙮 𝙩𝙤𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙚𝙣𝙮 𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙞𝙣𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖. » – Pr ANDRIANARISOA Hasina Olga, Tale pedagojika F.T.M (Fampianarana Teny Malagasy maneran-tany), Talen’ny fikarohana FIMPIMA Suisse, « Linguiste » ary « Ethnologue », Mpampianatra, Mpikaroka, Mpampianatra kabary.
  • Zana-dohahevitra 3 : « 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙏𝙚𝙣𝙮 𝙈𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙖𝙣𝙠𝙞𝙯𝙮. » – FIMPIMA Marseille tarihin’Atoa RANDRIAMARO Jules, Filoha.
  • Zana-dohahevitra 4 : « 𝙉𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙗𝙚𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙖𝙣𝙜𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖. » – FPMA Aix-Marseille tarihin’i Pasitora RANDRIANANDRASANA Jeannot.
  • Zana-dohahevitra 5: « 𝙉𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖. » – Momo JAOMANONGA, Mpanoratra.
  • Zana-dohahevitra 6: « 𝙉𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙣𝙩𝙤𝙡𝙤𝙢-𝙥𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖-𝙢𝙤𝙣𝙞𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙖𝙣𝙠𝙚𝙝𝙞𝙩𝙧𝙞𝙣𝙮 » – Masoandrontsoa (RANAIVOARISOA Rojo), Mpanoratra, poety, mpikambana CLUB1808.

Otronon’i Amad Tombovelo Zayad (Mpanoratra), Randria Kwassa (Mpanakanto), sns.

PARTENAIRES

COUVERTURE MÉDIATIQUE

NOS ARTICLES LIÉS AU PROJET

CONTACT

ABONNEZ-VOUS A NOTRE NEWSLETTER

Recevez les dernières nouvelles du Club 1808 France

* tous les champs sont obligatoires