Célébration « TENINTSIKA »

Parisy, voalohan’ny volana jona 2022

Tompoko,

Ao anatin’ny fitohizan’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tenindreny izay marihina ny 21 febroary, toy ny isan-taona, ny Akademia malagasy dia manokana ny volana jona manontolo ho fanandratana manokana ny teny Malagasy amin’ny alalan’ny lohahevitra maro samihafa.

« Ny hasin’ny teny malagasy eto Madagasikara »

No lohahevitra isaloran’ny taom-pankalazana amin’ity taona 2022 ity.

Noho izany indrindra, i Masoandrontsoa, pôety sady mpanoratra malagasy, dia manasa antsika malagasy am-pielezana hiara-hifanome tanana, hifanotrona, handray anjara amin’izany hetsika izany, amin’ny maha mpiandraikitra azy izao fanentanana izao, mba hahafahantsika eto Frantsa sy ireo izay any amin’ny firenen-kafa miara-mankalaza sy manome voninahitra izany fotoana izany.

Araka ny andininy faha-4 – andalana faha-3 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara « Ny tenim-pirenen’ny Repoblikan’i Madagasikara dia ny malagasy », koa fotoana izao ho antsika, hitondrantsika anjara biriky ho amin’ny fanasongadinana ny firenena amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny teny malagasy.

Ny Klioba 1808 am-pielezana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy (FIVMPAMA Paris – Cercle VOXMADA – INSMAD – ICDD – sns.) dia manohana izao hetsika izao ho fampiroboroboana ny tenim-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny anjara asa sahaniny ho fampivondronana ny hery rehetra ananan’ny ampielezana ho amin’ny fampandrosoana maharitra (ara-ekonomika, sosialy, ara- tontolo iainana) sy ny fanasongadinana an’i Madagasikara izany amin’ity, amin’ny alalan’ny fametrahana amin’ny toerany ny teny malagasy izay tena harenabentsika sy mampiavaka antsika amin’ireo firenena hafa.

« Ny teny dia firenena », Albert CAMUS (Mpanoratra sady filôzôfa)
« Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko », “Di” na RAHAINGOSON Henri (Akademisiana) « Ny teny diso tsy mba kabary », RAJOELISOLO Jean-Lequerre (Akademisiana)

VINA

Hetsika maro no efa novinavinaina hatreto : antsa tononkalo ao amin’ny toeram-pisakafoana Soa6Gasy Cachan, fihaonana amin’ny mpanoratra malagasy Masoandrontsoa ao amin’ny tranomboky kaominalin’i Quercy. Ny hetsika famaranana ny taom-pankalazana dia ho tanterahana ny alakamisy 30 jona, izay hiarahana mamolavola ireo karazan-tseho azo atambatra.

Hevitra nivoitra tamin’ireo dinikasa teo aloha :

  • Fahafahan’ny ampielezana, amin’izay toerana misy azy avy, maneho ny zavatra azony atao amin’ity volana jona ity, ary hiomana sahady amin’ireo hetsika amin’ny taona hoavy manaraka.
  • Fifanohanana sy fampitana ny hakanton’ny tenintsika any amin’ireo fikambanana sy sehatra isan-tsokajiny.

HETSIKA

Handeha àry isika, hivondrona, hamolavolavola hetsika ho fanamarihana ity taom-pankalazana ity, na dia faran’izay bitika indrindra aza, ary hijery sahady izay azo hanitarana izany amin’ny hoavy.

Manaraka izany, asaina ianareo handroso izay azo heverina fa hetsika azo atao mifanindran- dalana any amin’izay faritra rehetra misy anareo avy, ka hampita izany miaraka mialohan’ny alahady 12 jona 2022 mba hahafahantsika mampifanindran-dalana azy ireo.

ISIKA MIARAKA, no :

  • hifanakalo sy hikaroka fiaraha-miasa
  • handrafitra ireo karazana hetsika ho tanterahina ny volana jona
  • hanomana ny hoavy

Manantena anareo hifanohana sy hifanome tanana aminay amin’ity hetsika lehibe ho fampiroboroboana ny tenintsika sy ny firenentsika ity.

MISAOTRA SAHADY, MIRARY SOA INDRINDRA TOMPOKO

Tojo ANDRIAMITANTSOA-R, Filoha KLIOBA 1808

Masoandrontsoa, Pôety, mpanoratra, Mpikambana KLIOBA 1808

Maurice ANDRIAMIHAJA, Birao KLIOBA 1808


Paris, le 01 juin 2022

Chères amies,
Chers amis,

Dans la continuité de la célébration de la journée mondiale de la langue maternelle du 21 février, l’académie malgache organise chaque année à Madagascar un mois de promotion de la langue malgache à travers différents thèmes. Cette année, elle invite la diaspora à s’associer à cette démarche. Masoandrontsoa, poétesse et écrivaine malagasy, est en charge de cette mobilisation afin d’organiser toutes sortes de célébration à cette occasion en France et dans d’autres pays de présence de la diaspora.

La célébration aura lieu chaque mois de juin, et pour cette année, elle aura pour thème :

« Ny hasin’ny teny malagasy eto Madagasikara »
(La valeur de la langue malagasy à Madagascar)

Ainsi, selon l’article 4 – alinéa 3 de la Constitution de la IVème République de Madagascar, « La langue nationale de la République de Madagascar est le malagasy » et c’est aussi pour NOUS et avec VOUS le moment d’apporter notre pierre à l’édifice au rayonnement de notre pays, en mettant en avant la langue malagasy.

Le Club 1808 de la diaspora et ses partenaires (FIVMPAMA Paris – Cercle VOXMADA – INSMAD – ICDD) appuient cette mobilisation en faveur de la promotion de la langue nationale. Elle entre dans notre vocation de rassembler toutes les énergies de la Diaspora pour le développement durable (économie, social, environnemental) et pour le rayonnement international de Madagascar en mettant en avant, pour cette occasion, la langue malagasy.

« La langue est la patrie », Albert CAMUS (Ecrivain, philosophe, romancier, dramaturge, essayiste) « Andrianiko ny teniko fa ny an’ny hafa koa feheziko », « Di » RAHAINGOSON Henri (Académicien) « Ny teny diso tsy mba kabary », RAJOELISOLO Jean-Lequerre (Académicien)

PERSPECTIVES

Quelques évènements ont déjà été prévus, tels que : un après-midi poétique au restaurant Soa6Gasy Cachan, une rencontre avec la poétesse et écrivaine malagasy Masoandrontsoa à la médiathèque de la Communauté des communes du Quercy. Une cérémonie de clôture est prévue le 30 juin avec un contenu à concevoir.

Nos premiers travaux ont abouti aux perspectives suivantes :

  • permettre à la diaspora, là où elle est, d’exprimer ses possibilités d’action pour le mois de juin et de se préparer pour une action à plus long terme
  • soutenir la démarche en intégrant et transmettant dans les associations et organisations l’usage de notre belle langue.

MOBILISATION

Sans attendre, nous vous incitions à concevoir des actions, même modestes avec les possibilités de votre environnement local pour le mois de juin en priorité et de noter ce qui peut se faire plus tard.

Dans la même démarche, vous êtes invités à exprimer ce que vous pourriez faire avec d’autres actions similaires dans d’autres régions et nous remonter, avant le dimanche 12 juin 2022, ces actions pour permettre la coordination avec d’autres.

ENSEMBLE, nous ferons :

  • la connexion et la recherche de synergie entre les actions
  • la planification des événements en juin
  • la préparation d’actions à long terme

Comptant sur vous sur cette belle action de promotion de notre langue et de notre pays.

MISAOTRA MIALOHA SY MIRARY SOA

Bien amicalement,

Tojo ANDRIAMITANTSOA-R, Président CLUB 1808

Masoandrontsoa, Poétesse, écrivaine, Membre CLUB 1808

Maurice ANDRIAMIHAJA, Bureau CLUB 1808